Luke 24

1Vao maraina tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana izy ireo, nitondra ireo zava-manitra izay nokarakarain’izy ireo. 2Hitan’izy ireo nikodia lavitry ny fasana ilay vato. 3Niditra tao izy ireo, kanefa tsy nahita ny vatan’ny Tompo Jesosy.

4Ary, raha mbola sahiran-tsaina momba izany izy ireo, tampoka teo, dia nisy lehilahy roa nanao fitafiana mamirapiratra nitsangana teo anilan’ireo. 5Ary rehefa feno tahotra ireo vehivavy dia niankohoka tamin’ny tany, niteny tamin’ireo vehivavy izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no mitady ny velona aty amin’ny maty?

6Tsy ato izy, fa efa natsangana! Tadidio ny nilazàny anareo fony Izy mbola tany Galilia, 7nanambara fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hatolotra ho eo an-tanan’ny olona mpanota ka hofantsihana eo amin’ny hazo fijaliana, ary amin’ny andro fahatelo dia hitsangana indray.”

8Ireo vehivavy dia nahatsiaro ireo teniny, 9ka niverina avy tany amin’ny fasana ary nilaza izany zavatra rehetra izany tamin’ireo iraika ambin’ny folo sy ny ambiny rehetra. 10Ary Mary Magdalena, Johana, Mary renin’i Jakoba, ary ireo vehivavy hafa niaraka taminy dia nitatitra izany zavatra izany tamin’ireo apostoly.

11Fa izany hafatra izany dia toy ny tsy nisy dikany tamin’ireo apostoly, ka tsy nino ireo vehivavy izy ireo. 12Kanefa nitsangana Petrea, dia nihazakazaka nankeny amin’ny fasana, ary niondrika sy nijery tao, dia nahita ireo lambam-paty nitokana. Ary Petera nody tany an-tranony, nanontany tena ny amin’izay zava-nitranga.

13Indreo, ny roa tamin’izy ireo nandeha tamin’io andro io ho any amin’ny tanàna atao hoe Emaosy, izay enimpolo stadio miala an’ny Jerosalema. 14Izy ireo dia nifampiresaka momba ireo zavatra rehetra izay nitranga.

15Ary, raha niara-niresaka sy niara-nametra-panontaniana izy ireo, dia nanatona sy nandeha niaraka tamin’izy ireo Jesosy. 16Fa ny mason’izy ireo dia nosakanana mba tsy hahafantatra Azy.

17Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Inona no resahanareo roa ety am-pandehanana?” Dia nijanona izy ireo sady nalahelo endrika. 18Ny iray tamin’izy ireo, nantsoina hoe Kleopasy, namaly Azy hoe: “Ianao irery ve no olana tao Jerosalema tsy nahafantatra ireo zava- nitranga tany tamin’izany andro izany?

19Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Zavatra inona?” Izy ireo namaly Azy hoe: “Ireo zavatra mikasika an’i Jesosy ilay Nazarena, izay mpaminany, nahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona rehetra, 20ary ny fomba nanoloran’ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanapakay Azy mba ho melohana ho faty sy ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana.

21Kanefa izahay nanantena fa Izy no ilay hanafaka an’Israely. Eny, ary ankoatra izany rehetra izany, telo andro androany izao no nitrangan’izany zavatra rehetra izany.

22Nefa koa, ny vehivavy sasany tamin’ny namanay dia nahavariana anay, izay tany amin’ny fasana vao maraina. 23Rehefa tsy nahita ny vatany izy ireo, dia tamy, niteny fa izy ireo koa dia nahita fahitana anjely izay nilaza fa velona Izy. 24Ny lehilahy sasany izay niaraka taminay dia nandeha tany amin’ny fasana, ary nahita izany araka izay voalazan’ireo vehivavy. Saingy tsy nahita Azy izy ireo.”

25Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Ry lehilahy adala sy votsa saina vao mino ireo rehetra voalazan’ny mpaminany! 26Moa ve tsy nilaina ho an’i Kristy ny nijaly tamin’ireny zavatra ireny, ka hiditra any amin’ny voninahiny?” 27Ary nanomboka tamin’i Mosesy ka hatramin’ireo mpaminany rehetra, dia nadikan’i Jesosy tamin’izy ireo ao amin’ny Soratra Masina ny momba ny Tenany.

28Nony nanakaiky ilay tanàna izay nalehany izy ireo, dia naneho fihetsika toy ny hoe handeha lavidavitra Jesosy. 29Fa nanery Azy izy ireo, niteny hoe: “Mijanona eto aminay, fa efa ho hariva izao ary efa hifarana ny andro.” Ka niditra mba hijanona niaraka tamin’izy ireo Jesosy.

30Ary, rehefa nipetraka mba hiaraka hihinana tamin’izy ireo Izy, dia naka ny mofo, nisaotra izany, sy namaky izany, ary nanome izany azy ireo. 31Avy eo nisokatra ny mason’izy ireo, ka nahafantatra Azy, ary nanjavona teo imason’izy ireo Izy. 32Izy ireo nifampiteny hoe: “Moa ve ny fontsika tsy niredareda tao anatintsika, raha niteny tamintsika teny an-dalana Izy, raha nanokatra ny Soratra Masina tamintsika Izy?”

33Nitsangana izy ireo tamin’io ora io, ka niverina tany Jerosalema. Nahita ireo iraika ambin’ny folo niara-nivory izy ireo, sy ireo izay niaraka tamin’izy ireo, 34niteny hoe: “Ny Tompo dia nitsangana tokoa, ary niseho tamin’i Simona.” 35Koa nolazain’izy ireo izay zavatra nitranga teny an-dalana, sy ny fomba nisehoan’i Jesosy tamin’izy ireo tamin’ny fanapahana ilay mofo.

36Raha niteny izany zavatra izany izy ireo, dia nijoro teo afovoan’izy ireo Jesosy tenany, ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Fiadanana anie ho anareo.” 37Saingy taitra sy raiki-tahotra izy ireo, ary nihevitra fa nahita fanahy.

38Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no matahotra? Nahoana no misy fanontaniana ao am-ponareo? 39Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho tenako ity. Kasiho Aho ka jereo. Fa ny fanahy tsy manana nofo sy taolana, araka ny ahitanareo Ahy hoe manana.” 40Rehefa niteny izany Izy, dia nasehony tamin’izy ireo ny tanany sy ny tongony.

41Mbola tsy nino izany izy ireo nohon’ny hafaliana, ary gaga izy ireo. Jesosy niteny azy ireo hoe: “Manana zavatra hohanina ve ianareo?” 42Nomen’izy ireo trondro voatono izy, 43ka nalainy izany ary nohaniny teo anoloan’izy ireo.

44Izy niteny tamin’izy ireo hoe: “Tamin’Izaho niaraka taminareo, dia nilaza taminareo fa izay rehetra voasoratra tao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ireo mpaminany ary ireo Salamo dia tsy maintsy ho tanteraka.”

45Ary nosokafany ny sain’izy ireo, mba hazoan’izy ireo ny Soratra Masina. 46Niteny azy ireo Izy hoe: “Izao no voasoratra, fa ilay Kristy dia hijaly, ary hitsangana amin’ny maty indray amin’ny andro fahatelo. 47Fibebahana sy famelan-keloka no tokony ho toriana amin’ny anarany any amin’ny firenena rehetra, manomboka ao Jerosalema.

48Ianareo no vavolombelon’ireny zavatra ireny. 49Indro, halefako aminareo izay nampanantenain’ny Raiko. Kanefa mitoera ao an-tanàna mandra-pitafianareo ny hery avy any ambony.”

50Ary Jesosy nitarika azy ireo mandra-pahatongan’izy ireo tany Betania. Nasandrany ny tanany, ary notahiany izy ireo. 51Ary, rehefa nitso-drano azy ireo Izy, dia nandao azy ireo Izy ary lasa nakarina tany an-danitra.

52Dia nidera Azy izy ireo, ary niverina tany Jerosalema tamin’ny fifaliana lehibe. 53Nitohy nankao amin’ny tempoly izy ireo, nankalaza an’ Andriamanitra.

Copyright information for PltULB